CVO NAMIDY TAO AMIN’NY BAZAR VOHÉMAR : Nogiazan’ny “Comité de Vigilance CCO”

CVO miisa 160 tavoahangy amin’ny 33 cl no nogiazan’ny teo anivon’ny “Comité de Vigilance CCO” Vohémar, ny alakamisy lasa teo.  Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia namidy tao amin’ny Bazar Vohémar ireo tambavy CVO ireo. Voalaza fa tsy manana taratasy fahazoan-dalana hivarotra io tambavy io, ilay mpivarotra ka nogiazana ao amin’ny biraon’ny distrikan’i Vohémar avy hatrany. Araka ny fantatra, dia ankizy mbola tsy ampy taona no nasaina nivarotra io tambavy io ary 8 tavoahangy no efa lafony, hoy ny fanazavana.  Avy aty Antananarivo io CVO io ary saika nozaraina tamin’ny mponina tany an-toerana, kanjo, izao nisy nivarotra tao amin’ny Bazar izao. Nanokatra ny fanadihadiana mikasika izany ny tompon’andraikitra any an-toerana. Nilaza ny lehiben’ny distrikan’i Vohémar, fa ho hentitra ny sazy ho an’izay olona namoaka io CVO io sy niray tsikombakomba tamin’ilay mpivarotra, hoy izy. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha, hoy ny tatitra voaray avy any an-toerana.

Vous aimerez aussi