Tsy nisy ny olona vaovao voatily ho nitondra ny otrikaretina coronavirus tamin’ity andro ity.
Voalaza kosa fa olona 1 indray no sitrana, izay tao amin’ny hopitalin’Antsiranana.
Izany no tatitry ny tompon’andraikitra avy eny amin’ny CCO Ivato, tamin’ity andron’ny alatsinain’ny Paka ity.
Amin’ny ankapobeny
Koa amin’ny ankapobeny izany dia mijanona ho 106 ireo olona voany sy efa voany eto amintsika ary 21 kosa ireo efa sitrana.
Noho izany, 85 sisa ireo olona tsaboina eny anivon’ny hopitaly ary tsy misy amin’izy ireo no manana olana goavana ara-pahasalamana na tojo ny fahasemporana mahery vaika.
Mitandrina hatrany
Ny fanarahana mandrakariva ny fepetra ihany no tena fomba mahomby iadiana amin’ity valanaretina ity.
Efa voamariky ny manampahaizana rehetra maneran-tany fa ny fihibohana an-trano no tena fiadiana mandaitra indrindra iadiana amin’izao aretina izao.
Ny fifaneraserana sy ny fifampikasohana manko no zava-doza indrindra satria tsy tsikaritra mihitsy ireo olona salama nefa voany.
Ny mitandrina amin’ny fihibohana ihany no fanafodin’izany.


