CORONAVIRUS : Tranga 4 vaovao no voatily

Olona 4 vaovao indray no voatily ho mitondra ny otrikaretina coronavirus tamin’ity alahadin’ny Paka ity, araka ny tatitra ofisialy niainga teny amin’ny CCO Ivato.

Araka izany, manome ny isa 106 ireo olona voany sy efa voany teto amintsika.

Betsaka no sitrana

Miisa 8 kosa indray no sitrany. Izany hoe avo roa heny no sitrana tamin’ity andro ity noho ny marary vaovao. Ny 3 tamin’izy ireo dia notsaboina teny Anosiala, ny 3 hafa tany Tomasina ary ny 2 sisa kosa teny Andohatapenaka.

Izany hoe mitontaly 20 izany ny isan’ ireo rehetra sitrana.

Araka izany dia miisa 86 sisa no isan’ny ireo tsaboina eny anivon’ny hopitaly eny.

Ireo marary vaovao

Ho an’ireo 4 marary vaovao dia ny 2 ihany no mbola fantatra ny aminy : ny 1 lehilahy 45 taona, efa tsaboina ao amin’ny hopitalin’i Toamasina.

Ny faharoa kosa dia vehivavy 62 taona, tsaboina ao Befelatanana.

Ho an’ity ramatoa farany moa dia tsy mbola voafaritra mazava ny antony nahazoany ny otrikaretina.

Mijanona an-trano

Araka ny nahazo ity farany ity dia mampiahiahy ny nahazoany ny otrikaretina. Na tsy voasoritra mazava aza izany dia tsy ilaina ho fantatra akory fa ny fakanao fepetra hiarovana ny tenanao no tena zava-dehibe. Tsy misy afa-tsy ny fijanonana an-trano ihany no tsy ahazoana ity otrikaretina ity.

Vous aimerez aussi