Araka ny tatitra nomen’ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly Anosiala sy ny ministeran’ny fahasalamana, dia olona 13 amin’izao no arahimaso manoloana ilay valan’aretina “coronavirus”. Mbola tsy nahitana soritr’aretina moa ireto olona ireto, araka ny tatitra azo ary fantatra fa mbola tsy tonga eto amintsika io areti-mandoza io, hoy ny fanazavana. Na izany aza dia efa misoroka ny tsy hidiran’ity aretina ity eto amintsika ny tompon’andraikim-panjakana miaraka amin’ny ministeran’ny fahasalamana. Marihana, fa antontan’isa voaray hatramin’ny alatsinainy faha 9 Martsa lasa teo ireo voaray ireo.


