Hankalaza ny faha 44 taona niorenany ny antoko Arema, ka ny faha 19 Martsa izao no ivon’ny fankalazana izay atao eny amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy. Ankoatra izay, araka ny fanazavana voaray, dia hanatanteraka kongresy ihany koa ity antoko ity, ka mandritry ny telo andro no hanaovana izany, ny 19, 20,21 Martsa ho avy izao eny amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy ihany. Araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko Arema, dia mandritry io kongeresy io no hijerena ny ho avin’ny antoko, ny hifidianana ireo birao vaovao hitantana ny antoko ary ny hijerena ny momba raharaham-pirenena sy ny tontolo politika eto amintsika. Araka ny vaovao voaray, dia ho avy hanotrona ity kongresy izay hatao eny Ilafy ity ny filoha mpanorina ny antoko Arema, ny Amiraly Didier Ratsiraka. Ankoatra izay, dia hanatanteraka fambolen-kazo ihany koa ireo vehivavy Arema, ka ny faha 22 Martsa no hanaovan’izy ireo izay fambolen-kazo izay eny Ilafy ihany.


