CORONAVIRUS : Mitombo isa ireo sitrana noho ny tsaboina

Mitombo isa ireo olona sitrana tamin’ny otrikaretina coronavirus, satria nahatratra 7 indray izy ireo tamin’ity andro talata ity. Tsy nisy kosa ny tranga vaovao.

Araka izany dia mitontaly 82 ireo sitrana ary 46 sisa ireo tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana samihafa eny. Tsy misy manana tranga ahiana loatra izy ireo. Ny maty rahateo koa tsy misy ary antenaina tsy hisy.

Araka izany dia tsara ny vokatra hatreto, kanefa tsy tokony hadinoina ny fanajana ny fepetra samihafa mba hahatsara hatrany ny vokatra.

Mila fehezina ny otrikaretina

Ilaina fatratra, noho izany, ny fitadiavana ireo olona 3 sisa any Maroantsetra, izay nandeha taksibrosy niala teto Antananarivo ho any Toamasina, ny 8 aprily lasa iny.

Ireo 8 tamin’ireo mpandeha izay nanaovana antso avo manko dia efa samy nanatona tobim-pahasalamana avokoa ary samy voatily fa tsy mitondra ny otrikaretina.

Ny famehezana ny aretina amin’ny alalan’ny fitiliana ihany manko no anisan’ny fampiatoana ny fiparitahan’ity aretina ity.

Raha sanatria ka misy ny voa ary voazaha ara-potoana dia azo antoka tanteraka fa voafehy ny aretina. Fa raha mbola miziriziry mijanona any anaty fiaraha-monina any dia hitombo ny famindrana izany ka hihamaro ny olona voany ary hihasarotra ny fitsaboana.

Fitiliana isam-pokontany

Raha ny tokony ho izy dia misy ny fitiliana faobe hatao eny anivon’ny Fokontany nahitana ireo olona nitondra otrikaretina ireo. Saingy noho ny tsy fahampian’ny fitaovana na ny olona hanatanteraka izany angamba dia mbola somary vitsy ny faritra hanaovana izany.

Ny fikarohana ny tranga anaty fiaraha-monina any ihany manko no fototra hampitsaharana ity aretina ity. Eo indrindra koa anefa ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay izay manana soritraretina mba hanatona mpitsabo.

Vous aimerez aussi