Tranga 6 vaovao no voatily ho mitondra ny tsimokaretina Covid-19, omaly alahady, araka ny fitiliana hatramin’ny 12 ora antoandro teo.
Noho izany, mampiakatra ny taherimarika ho 43 izany raha 37 teo aloha.
Na izany aza, samy tsy nahitana soritraretina avokoa ireo vaovao ireo.
Telo no sempotsempotra
Amin’ireo 43 ireo dia tsy ahitana soritraretina ny 33. Na izany aza, arahi-maso akaiky kosa ny toe-pahasalamany avy.
Ny 7 amin’ireo 10 sisa kosa dia misy soritraretina tsy dia mampahatahotra loatra, satria mafanafana hoditra, mikohokohoka,…ihany. Ireo 3 kosa no manana fahasemporana.
Na izany aza, isaorana mandrakariva an’Andriamanitra ny tsy fisian’ny aina afoy amin’ireo marary ireo. Efa mizotra araka ny tokony ho izy rahateo koa ny fihinanan’izy ireo ny fanafody sahaza ho amin’izany.
Aoka ho tony, araho ny fepetra !
Na dia mitombo aza ny isan’ireo voa dia tokony ho tony mandrakariva ny rehetra. Saingy mila arahina kosa ny toro-marika dia ny fijanonana ao an-trano.
Raha misy ny iray izay tsy maintsy mivoaka dia tokony hanafaingana araka izay tratra ny diany any ivelany izy ary manaja ny fepetra tokony harahina.
Ho vitsy no voa raha mihiboka isika satria tsy hiparitaka ilay valanaretina.


