Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny fasan’ny maherifo, eny Ambohitsaina ny alahady maraina teo, ho fahatsiarovana ny faha-73 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 1947.
Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Governoran’ny Faritra Analamanga ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo no tonga niatrika ny lanonana teny an-toerana.
Noho ny fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus ka ifantohana amin’ny fihibohana no tsy nampisy ny fandaharam-potoana lehibe efa nomanina.
Heverina fa tsy ho faty ao am-pon’ny vahoaka Malagasy kosa ny fahatsiarovana ny ady lehibe natrehin’ireo zoky sy ray aman-dreny tamin’izany vanim-potoana izany.


