Miisa 6 indray ny olona sitrana tamin’ity alakamisy ity ary tsy misy ny olona voa vaovao.
63 izany no sisa tasaboina eny amin’ny tobim-pahasalamana samihafa eny.
Tsy misy hatrany kosa ireo tsaboina manana fahasemporana. Ary tsy misy tahaka izany koa ny namoy aina.
Antsika no tombony
Na izany aza ny fahatsaran’ny vokatra dia mila fanentanana hatrany ny fandraisana fepetra fiarovana noho ny ankamaroan’ny olona efa miverina tsikelikely amin’ny asa sy ny fianarana.
Mainka aza hamafisina ny fitandremana noho ny fifampikasohana tsy azo ialana eny amin’ny fiara fitaterana eny.
Ilaina indrindra, noho izany, ny fahadiovan’ny tànana sy ny fanaovana arotava.
Koa ny fandraisana ny fepetra ara-dalàna no tombony ho an’ny rehetra. Raha manaja izany ny tsirairay dia ho foana tsikelikely koa ny fotoan’ny fihibohana.


