CORONAVIRUS : Miampy 15 andro indray ny « hamehana ara-pahasalamana »

Nampiana 15 andro indray ny fotoan’ny « hamehana ara-pahasalamana » manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Io no fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny zomà lasa teo.

Voalaza fa nakan-kevitra tamin’izao fepetra noraisina izao ireo Filohan’ny Andrimpanjakana telo dia ny Antenimierandoholona, ny Antenimierampirenena ary ny Fitsarana Avo momba ny lalàm-panorenana.

Raha zohina dia mitovy tamin’ny teo aloha ihany izao fanapahan-kevitra noraisina izao.

Andrasana fatratra ihany, araka izany, izay mety ho fanambarana hentin’ny Filoham-pirenena rahampitso, amin’ny fanazavana misimisy kokoa ny mikasika ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany.

Fihibohana

Anisan’ny zava-dehibe andrasan’ny vahoaka ny amin’ny fihibohana. Raha mbola hitohy izany, misy  fepetra mety hifanaraka amin’izany ve ?  Efa mahatsiaro fadiranovana manko ny maro ankehitriny.

Marina fa misy ny fanampiana avy any ivelany izay tokony hipaka any amin’ny tokantranon’ny Malagasy tsirairay, kanefa mbola mila famaritana ny fahazoana izany.

Raha ny fahasahiranana no hamaritana ny fahazoana ireo fanampiana dia azo ambara fa mbola maro dia maro ny tokantrano tsy nahazo izany.

Tsy ny olona mipetraka amin’ny trano hazo ihany akory no sahirana amin’izao vanim-potoana izao fa na ny rehetra manana trano biriky sy fiara aza dia manana ny manahirana azy avokoa.

Tsitsiana ve ‘lay fanampiana ?

Volabe no azon’i Madagasikara avy any ivelany mba ho fanampiana amin’izao hamehana izao. Mitentina hatrany amin’ny 440 tapitrisa dolara mahery izany. Misy aza ny fanalefahana io fanampiana io.

Tsapa anefa fa mampifandrafy ny vahoaka eny ifotony ity fanampiana ity. Maro no tsy mahazo ilay « vatsy tsinjo », tsy hita eny amin’ny Fokontany sasany ihany koa ny « tsena mora ». Mainka moa fa ilay lelavola 100.000 ar !

Misy mihitsy ankehitriny ny fanonganana ny Filoham-pokontany, satria misy ny Fokontany tsy mbola nahazo izany fanampiana izany. Eo koa anefa ny manodinkodina ireny fanampiana ireny.

Raha akapoka dia tsy voatsinjara, araka ny tokony ho izy ny fanampiana tokony hositrahan’ny vahoaka.

Tahaka ny boaderozy sy ny harena sarobidy samihafa ihany ka olom-bitsy no misitraka azy.

Vous aimerez aussi