Niampy 3 indray ireo olona voatily ho mitondra ny soritraretina coronavirus tamin’ity sabotsy ity.
Manome ny isa 120, araka izany, ny totalin’ireo olona voan’ity otrikaretina ity.
Niampy 2 indray kosa ny sitrana, izay manome ny isa 35 no totaliny.
Noho izany, 85 ireo tsaboina eny anivon’ny hopitaly manerana ny Nosy. Ary tsy misy marary mafy na ahiana loatra ny toe-pahasalaman’izy ireo. Tsy mbola nisy kosa ny maty.
Avy aiza ?
Samy lehilahy avokoa ireo olona 3 voa vaovao ireo. Ny 2 amin’izy ireo dia eto Antananarivo. Ny 1 kosa any amin’ny Faritra Atsinanana.
Araka ny vaovao dia noho ny fifampikasohana avokoa no nahazoan’izy ireo ny tsimokaretina.
Azo ambara ho tsy hisy intsony ny fifindrana avy any ivelany satria azo inoana fa efa voatily avokoa izy ireny.
Mitohy ny fitiliana
Misoko miadana izany izao ny fifindran’ny tsimokaretina noho ny fifampikasohana ka ilana fahamailona tanteraka.
Araka ny fampitam-baovao moa dia mitohy hatrany ny fitiliana atao, ka ireo olona nifanerasera tamin’ireo efa voa no atao izao. Ary tompon’andraikitra manokana ara-pahasalamana no misahana izany.
Mila hajaina tsara hatrany anefa ny fepetra. Rehefa voahaja ny elanelana 1 metatra dia tsy hifampikasoka ny olona. Ary rehefa tsy mivoaka dia azo antoka fa tsy hifampikasoka.


