CORONAVIRUS : Malagasy 1000 no mihitsoka any ivelany

Taorian’ny fanakatonana ny sisin-tany noho ny aretina coronavirus, maro ireo teratany Malagasy no mihitsoka any ivelany toa ny mpiasa manao iraka any ivelany, mpianatra, mpizahan-tany… Miisa 1256 izy ireo, hoy Djacoba Liva Tehindrazanarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny, nandritry ny tatitry ny asa vitany manoloana ny Antenimierampirenena. Nomarihany fa ireo teratany ireo dia hiantohan’ireo masoivoho Malagasy any ivelany. Raha tsiahivina, ny 14 martsa no nanapa-kevitra hampiato ireo sidina mampifandray amin’ny any ivelany ny Filoha Rajoelina Andry. Nanana dimy andro kosa ireo teratany Malagasy sy vahiny monina eto amintsika hamonjy fodiana teto amin’ny firenena. Hatramin’izao dia mbola taraiky any ivelany ireo tsy afaka nanaraka ny fandaminana noho ny antony samihafa. Tsy mbola misy kosa fikasana hampodiana azy ireo na dia efa maro aza ny fangatahana.

Vous aimerez aussi