CORONAVIRUS : Hitantsika ny fanafodiny, ampahany sisa ny kaofinimà !

COVID ORGANICS. Io no anaran’ilay fanafody enti-miady sy fanefitry ary misoroka  ny otrikaretina coronavirus vita malagasy, vokarin’ny Institut Malgasy de Recherche Appliquée (IMRA). Nambara tamim-pomba ofisialy omaly hariva izany, satria nahitam-bokatra ny andrana natao tamin’ireo malagasy narary teto an-toerana.

Araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena dia afaka mametra sy mampihena ny fiantraikan’ny aretina amin’ny vatan’olombelona ity Covid Organics ity.

Noho izany dia ao anatin’ny fotoana famokarana azy indrindra ny orinasa ankehitriny.

Miova ny fepetra fihibohana

Manoloana izao fahitana ny fanafody izao dia niova ihany koa ny fepetra fihibohana, izay hanomboka ny 20 aprily izao.

Haverina tsikelikely ny fiainana andavanandron’ny mponina.

– Koa hanomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 1 ora tolakandro no fotoam-piasana.
-Tsy afa-mivezivezy kosa ny olona ao anatin’ny Faritra Antananarivo sy Toamasina ary Fianarantsoa.
– Mbola misy ny « couvre-feu » manerana ny Nosy, saingy hanomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina izany.

Tsy maintsy manao arovava

– Manomboka ny alatsinainy 20 aprily dia tsy maintsy manao arovava avokoa ny olon-drehetra izay mivoaka ny trano. Hisy fizarana maimaimpoana ho an’izay tsy manana, mandritra ny herinandro.
– Izay tsy manao izany kosa manomboka ny alatsinainy 27 aprily dia ho voasazy ka hanao asa ho an’ny besinimaro, toy ny manao zaridaina, mamafa làlana, manadio sekoly,…

Fampianarana

– Ho an’ny fampianarana kosa dia hianatra ireo mpianatra manao fanadinana ( 3ème sy Terminale ) manomboka ny alarobia 22 aprily.
– Ny alatsinainy 27 aprily kosa ireo mpianatra kilasy 7 ème.
– Ho zaraina arovava avokoa ireo mpianatra rehetra ireo.
– Hozaraina maimaimpoana ary misotro amin’ny COVID ORGANICS avokoa ny mpianatra rehetra, ahazoana miaro azy ireo amin’ny otrikaretina.
– Dabilio iray no an’ny mpianatra iray.

Asa

– Miverina miasa ny mpiasam-panjakana ary manao « service minimum ».
– Mandamina ny azy kosa ny sehatra tsy miankina.
– Mandray ny asany tsikelikely koa, manomboka ny alarobia 22 aprily, ireo mpiasa tena.
– Ny toeram-pisakafoanana dia afaka misokatra hatramin’ny 1 ora tolakandro. Ny hariva kosa dia afaka manatitra sakafo eny anivon’ny tokantrano.
Fitateram-bahoaka
– Miasa ny taxi saingy olona telo (3) fara-fahabetsany no hentiny.
– Ho an’ny taxibe kosa dia tsy azo asiana seza intsony eo am-povoany. Ferana ho 18 ny isan’ny mpandeha. Fampidirana « fourrière » ny sazy miandry ny tsy mpanara-dalàna.
– Mbola mikatona ny taksibrosy mankany amin’ny Faritra. Ny miainga eto Antananarivo, ny miainga any Fianarantsoa ary ny miainga any Toamasina.
– Tsy maintsy atao « désinfection » avokoa ny fiara mpitatitra rehetra.

Famoriam-bahoaka

– Ny famoriam-bahoaka rehetra kosa dia tsy mbola azo atao, indrindra ny mihoatra ny 50 isa.

Vous aimerez aussi