CORONAVIRUS : Averina ny fitiliana

Voalaza araka ny tatitry ny CCO omaly fa nisy ny tranga vaovao miisa 35. Nanambara koa anefa ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (na ny OMS) fa misy tranga 67. Izany hoe misy 32 hafa ankoatra iry efa voalaza.
Taorian’izany dia niverina nanaiky ny isa 35 ihany ny OMS avy eo, izay nampisavorovoro ny sain’ny mpanara-baovao maro.

Koa nitondra fanazavana mikasika izany indrindra ny Pr. Vololontiana Hanta tamin’ity androany ity. Ny 06 mey teo, hoy izy, dia nisy ny fitiliana miisa 252 izay natao teny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ka nahazoana ireo tarehimarika 35 sy 32 ireo.

Tsy mbola nambara anefa ny 32 satria nanapa-kevitra ny Fanjakana ny hamerina ny fitiliana ka nantsoina mihitsy ireo olona 32 ireo noho ny hamaroan’ny tranga.

Koa ny 21 tamin’izy ireo no vita fitiliana, izay natao teny Ankatso ary niarahan’ireo tompon’andraikitra samihafa nanatrika, toy ny solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny avy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar ary ny teknisiana eny amin’ny Centre d’Infectiologie Ankatso.

Voamarina tamin’izany fa 4 tamin’ireo 21 ireo no voan’ny tsimokaretina.

Ny 11 hafa koa dia mbola hatao izany fitiliana izany.

Manoloana izany dia tsy maintsy haverina hotiliana ihany koa ireo 35 voalaza ery ambony, izay hatrehin’ireo tompon’andraikitra samihafa ihany koa.

Araka izany dia tsy mbola misy ny isa azony nomena ny amin’ity anio ity.

Nanteriny kosa anefa ny fitohizan’ny fandraisana ny fepetra rehetra satria mbola mitohy ny ady atao amin’ny valanaretina.

Vous aimerez aussi