Miisa 76 ny tranga voavao voatily androany ka ny 75 dia eto Antananarivo avokoa ary ny 1 tao Toamasina. Fitiliana miisa 148 nataon’ny IPM no nahitana io tarehimarika io.
Miisa 2 214 izany ireo voa hatrizay.
Nisy koa anefa ny sitrana, izay miisa 28, ka ny 22 tany Toamasina, ny 6 teto Antananarivo. 994 izany ireo sitrana hatramin’izay.
1 200 kosa ireo an-dàla-pitsaboana ka 42 no isan’ireo manana fahasarotana ara-pisefoana.
Mijanona ho 20 kosa ny isan’ireo maty.
Mitontaly 21 696 ny isan’ny fitiliana vita rehetra hatrizay.
Vitsy dia vitsy ny fitiliana
Mbola vitsy dia vitsy ny fitiliana atao hatreto fa tsy araka ny filazana ho 1.000 isan’andro. Na izany aza, tsikaritra fa mitombo izaitsizy ny tranga vaovao na dia latsaky ny 200 aza ny fitiliana atao. Midika izany fa hiakatra avo dia avo io tarehimarika io rehefa hitombo koa ny isan’ny fitiliana.
Izay no anomanana ny etsy amin’ny Village Voara mba handray ireo olona manahy ho mitondra ny tsimokaretina ary manan-tsafidy amin’ny toerana tiany hitsaboana tena.
Rahampitso moa no hitokana io toerana io i Andry Rajoelina ka asa na hisy avy hatrany ny olona hitandahatra hanao fitiliana eny na ahoana.
Inoana fa hiainga amin’izay ny fitiliana maro hatao satria izany ihany no fototra hifehezana ity valanaretina ity.


