Olona maherin’ny 20 no nahiana ho nitondra ny valanaretina Coronavirus, saingy taorian’ny fitiliana dia tsy nisy voan’ny aretina izy ireo.
Maherin’ny 500 kosa ireo mbola arahi-maso ankehitriny. Ireo no tarehi-marika avy amin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana tamin’ity andro ity.
Narahi-maso ny fara-sidina
Ankoatra ny fiaramanidina hafa dia tamin’ny 12 ora sy 05 mn alina teo no nigadona teny Ivato ny fara-sidina tokony hihazo an’i Madagasikara. Mpandeha miisa 192 no nentin’ity fiaramanidin’ny Air France nivantana avy any Parisy ity, ka maro tamin’ireo no teratany malagasy sy teratany frantsay.
Nisy ny fitiliana natao tamin’ireo mpandeha tsirairay ka fantatra tamin’izany fa tsy nisy ny nahitana ny soritraretina, araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitra. Na izany aza, misy ny fanaraha-maso akaiky azy rehetra ireo.
Taorian’izany no nitaterana ireo olona vao tonga ireo, ka olona 25 isaky ny fiara no natao. Araka izany dia naharitra adim-pamataranandro roa teo ho eo ny nanaovana ny fandaminana. Navantana tamin’ireo hotely nomanina handray azy ireto mpandeha, araka ny tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra manokana farany teo, noho ny tsy fahampian’ny foto-drafitrasa.
Zotra haka vahiny
Ankoatra io dia fantatra fa nisy ihany koa ny zotra-piaramanidina amerikana iray tonga omaly. Araka ny voalaza dia tonga haka ireo teratany amerikana mbola tavela eto amintsika izy io.
Torak’izany ihany koa ny hisian’ ny sidina manokan’ny Air France hiala eto Antananarivo rahampitso 21 sy 23 marsa ho avy izao. Ity kosa dia haka ireo Frantsay sy Eoropeana mpizahatany na mandalo mbola tafajanona eto Madagasikara ka hiverina any an-tanindrazany.
Hikatona tanteraka
Arak’ireo dia hikatona tanteraka izany ny sisintanin’i Madagasikara noho ity valanaretina Coronavirus ity. Haharitra 30 andro moa ny fiatoana, indrindra ny avy any amin’ireo firenena Eoropeana sy Etiopia, Afrika atsimo ary ireo Nosy manodidina.
Nomarihin’ny tompon’andraikitra hatrany fa tsy mbola eto amintsika ity coronavirus ity. Raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fandraisana fepetra dia heverina fa tsy handalo eto amintsika izany.
Anjarantsika eto an-toerana noho izany no mandray ny fepetra tokony harahina.
Fepetra noraisin’ny Fanjakana ny fanafarana fitaovana fanaovana fitiliana ahazoana valiny eo noho eo.
Natao fitiliana ary natoka-monina ireo mpandeha tonga rehetra !
Hanohana sy hanampy an’i Madagasikara ny FMI manoloana ny fiantraikany ara-toekarena ateraky ny fepetra noraisin’ny Fitondra !


