CORONAVIRUS : 1 no sitrana, 1 no voa vaovao

1 no voan’ny tsimokaretina vaovao tamin’ireo 82 notiliana. 1 kosa no sitrana. Izany indray no tatitra avy any amin’ny CCO Ivato, tamin’ity sabotsy ity.

Mitontaly 123 izany izao ireo voan’ity coronavirus ity teto amintsika, ka ny 62 tamin’ireo no efa sitrana. 61 kosa ireo mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly.

Ho an’ity voatily iray androany ity dia voalaza fa any Toamasina no misy azy ary any ihany izy no tsaboina. Lehilahy 35 taona izy io.

Misy hatrany ny fitiliana

Araka ny fampitam-baovao ofisialy dia misy hatrany ny olona tiliana amin’ity aretina ity isan’andro. Anisan’izany ireo olona nifanerasera sy nifampikasoka tamin’ireo efa voa.

Ho an’ireo ahitana fambara soritraretina, toy ny kohoka, miakatra hafanana, … dia miroso avy hatrany amin’ny fitiliana PCR izy ireny.

Ireo mbola ahiana kosa dia ny karazam-pitiliana TDR no atao amin’izy ireo.

Mila mitandrina ny marefo

Amin’ireo olona marary ireo dia tsy misy ny aretina goavana, izay mety ahatonga any amin’ny fahasemporana. Ireo olona marefo no atahorana ho tonga amin’izany. Dia ireo olona kely hery fiarovana noho ny aretina mitaiza azy, toy ny diabeta, misy tosidrà,….Mila fitandremana indrindra koa anefa ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona, ny mpiasan’ny fahasalamana,…

Na izany aza dia natao ho an’ny rehetra ny fitandremana. Zava-dehibe ny fihibohana sy ny fanasan-tànana ho an’ny rehetra mivoaka eny ivelany.

Vous aimerez aussi