ANY IALAHY ‘ZAY : Veloma ry… kaofinimà !

Gaga avy hatrany ialahy mahita  ‘ty titra ‘ty. Fa dia miarahaba tena tokoa aloha ‘zahay aty fa ohatran’ny vita  tanteraka ny kaofinimà an ! Hanontany ngamba ialahy hoe miverina amin’ny laoniny ve zany ny fiainana ?

Tsia avy hatrany no valiny ! Olona maromaro manao kasibosy eny an-dàlana eny sisa no ahafantarana fa mbola misy ‘zany  hamehana ara-pahasalamana ‘zany !

Baranahiny be ny aty leitsy a! Mifanaretsaka leity ny olona aty aminay a ! Mifarana rahateo moa ny herinandro  ka maro dia maro ny olona, mifanitsa-kitro, hoy ny fitenenana. Tahaka ny fahita taloha  ireny ihany ny tsena aty e ! Ny firavana no mialoha kely satria tsy maintsy mihiboka ny olona manara-dalàna manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Fa tsy misy olana koa anefa io fa ny fodiana aorian’ny amin’ny 9 ora alina ihany no tena gravy.

Fa ankoatra izany leitsy dia tsy misy vaovao firy a ! Saika nisy zava-baovao ihany teny amin’ny Fokontany teny fa tena tsy arako ‘tsony ! ‘Zany karatra atsofoka anaty ordinatera zany hono, ka ahafahana mahalala ny momban’ny isan-tokantrano : nahefa  adidy ve ? Efa nahazo ‘lay fanampiana ve ? Namonjy fivoriam-pokontany ve ? …sns leitsy a ! 10 andro dia ho vita, hono,  nefa tsy mbola koboka hatreto an !

Samy variana tamin’lay tambavy koa ny rehetra dia samy tsy nisy nahatsiaro e !

Miresaka an’io ihany tokoa leitsy ! Manao ahoana ny akony io any amin’ialahy isany any? Eto amin’ny tanàna manko dia lasa tambavy…politika izy ‘ty ! Na dia resaka siantifika na klinika aza no tokony horesahina dia tena lasa resaka politika be mihitsy ! Asa na ‘lay lokon’ny tavoahangy na ‘lay lokon’lay tambavy mihitsy no maha rangitra ny sasany na ahoana ! Tokony ho efa mahazatra anefa ny mahita an’ireny an! Moa tsy nolokoina loranjy ireny 4×4 vaovaobe ‘reny ? Ny gonim-bary aza mivolo loranjy ! Eny, hatramin’ny kasibosy aza !

Fa ‘ty resaka tambavy oa e ! Lasa ohatran’ny resaka boaikely dia ohatran’ny hoe misy mandaza any ivelany any ny sasany. Ny hafa ‘ndray anefa toa mahazo doka avy any. Lasa misy ankolafy mihitsy e ! Eo ny mandrisika, eo no mandrara !

Fa tsapako ho nampizaraza ny olona aloha ity corona corona ‘ty e ! Tokony hivondrona anefa ny rehetra mba handresy azy, ka hanao veloma ny …kaofinimà !

Vous aimerez aussi