CAN 2019 : Nampiana iray ny fiaramanidina ho any Ejypta

Nampiana iray ny fiaramanidina hitondra ireo olona mpanohana ny Barea, ekipam-pirenena malagasy, izay hihazo an’i Ejypta, amin’ny lalao ampahavalon-dàlana, izay hatao ny alahady ho avy izao.
Hifandona amin’ny ekipa malagasy amin’izany moa ny ekipam-pirenen’i RDC Congo ka maro tokoa ny Malagasy liana ka te-hanohana ny ekipany.
Roa hetsy sy roa tapitrisa Ariary ny saran-dàlana haloa amin’izany ary efa ao anatiny ny trano hivantanana, ny sakafo ary ny tapakila hijerena ny lalao. Maro ny Malagasy no efa nisoratra anarana ka omaly fotsiny dia olona 400 no nahavita pasipaoro handehanana amin’izany.

Ireo ekipa hifandona

Efa fantatra izao ny ekipa rehetra hifanandrina amin’izao ampahavalon-dàlana izao :
Zomà 05 Jolay : Maroc hihaona amin’ny Bénin amin’ny 07 hariva, ora eto Madagasikara, Ouganda kosa hihaona amin’ny Sénégal amin’ny 10 ora alina,
Sabotsy 06 Jolay : Nizeria hifampitady amin’ny Cameroun, amin’ny 07 ora hariva, Ejypta kosa hihaona amin’i Afrika Atsimo, amin’ny 10 ora alina.
Alahady 07 Jolay : Madagasikara hifanandrina amin’ny Congo, amin’ny 07 ora hariva, Algérie kosa hifampitady amin’i Guinée ampin’ny 10 ora alina.
Alatsinainy 08 Jolay : Mali sy Côte d’Ivoire, amin’ny 07 ora hariva, Ghana sy Tunisie kosa no hifanandrina amin’ny 10 ora alina.

Vous aimerez aussi