Amin’ny 16 Jolay ho avy izao no hananganan’ireo Solombavambahoaka ny birao sy ny Filoha hitantana ny Antenimiera eny Tsimbazaza.
Araka ny voalazan’ny Làlampanorenana mantsy dia mivory manokana amin’ny talata faharoa manaraka ny fanambarana ny vokatra ofisialy, ireo Solombavam-bahoaka vao voafidy, ka amin’io fivoriana io no hifidianana ireo izay ho mpikambana ao anatin’ny Birao maharitry ny Antenimiera ka isan’izany ny Filoha, ny Filoha lefitra, ny Kestora sy ny Mpampakan-teny ary ireo mpikambana ao amin’ny kaomisiona samihafa.
Ho feno araka izany ny andrim-panjakana mpanao lalàna ka hifarana hatreo ny famoahana didy hitsivolana nataon’ny Filohan’ny Repoblika.
Nandritra ny fotoana tsy nisian’ity Andrimpanjakana ity manko dia nahatratra 12 ny isan’ireo didy hitsivolana, izay nivoaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Ny farany teo dia ny momba ny fanagiazana ireo harena sy fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna no naroso.
Hijoro, araka izany, ny biraon’ny Antenimiera, koa araka ny andininy faha-74-n’ny Lalàmpanorenana dia apetraka amin’ny Solombavambahoaka zokiny indrindra sy ny zandriny indrindra ny fitarihana ny fivoriana voalohan’ny Antenimirampirenena.
Rehefa tafajoro ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny birao maharitra dia afaka atao ny firosoana amin’ny fanolorana ny anaran’izay ho Praiminisitra heverin’ny maro an’isa, any amin’ny Filoham-pirenena.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

