ASA FANAOVAN-GAZETY : Tsy misy fahalalahana, very ny zon’ny mpanao gazety

Ao anatin’ny fitsaboana tena tanteraka ny namana mpanao gazety Christian Andrianarisoa, satria vao avy nivoaka ny hopitaly. Ankehitriny dia terena hiatrika ny fampanoavana eny anivon’ny tribonaly  ny tenany noho ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny « La Gazette de la grande île » iandraiketany. Mbola eo am-pandriana izy, araka ny voalaza, no nahatongavan’ny mpitandro filaminana mitam-piadiana tao an-tokantranony.

Lahatsoratra an-gazety

Ny fanelezana vaovao tan-gazety mikasika ny mpandraharaha mpanefoefo, Mbola Rajaonah, izay any am-pigadrana, amin’izao fotoana izao moa, no anton’ny fampiantsoana sy hanadihadiana ity tonian’ny gazety « La Gazette de la grande île » ity ka itoriana azy.

Marihina fa anisan’ny mpanolotsain’ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina ity mpandraharaha ity ary voaringotra amin’ny resaka volabe noho ny  raharaha haban-tseranana ka naiditra am-ponja.

Andrasana ireo tompon’andraikitra

Andrasana, noho izany, izay mety ho fihetsiky ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny manoloana izao toe-javatra izao. Anisan’izany ny Filoham-pirenena, izay mandala ny zon’olombelona, ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety,…

Tsiahivina fa handalo tsy ho ela eo amin’ny Antenimieram-pirenena ilay volavolan-dalàna mikasika ny asa fanaovan-gazety vao avy nasiam-panitsiana ary manafoana ny fanagadrana na fitazonana am-ponja ny mpanao gazety noho ny lahatsoaratra nosoratany. Saingy mampametram-panontaniana ihany ny amin’izay tena tian’ny Fampanoavana ahatongavana amin’izao fanenjehana ny namana Christian Andrianarisoa izao.

Vous aimerez aussi