ANTSAHABE : Nisafidy ny rindrina ny mpamily

Niharam-pahavoazana ny fiara kamio iray, tetsy Antsahabe, io maraina io, noho ny tsy fahatomombanan’ny hisitra (na ny frein). Nanampy trotraka izany moa ny làlana malaman’ny orana ka naleon’ny mpamily nisafidy ny rindrina ho fiantefany.

Fidinana rahateo ny làlana ka tsy maintsy noraisina haingana  ny fepetra mety indrindra.

Na tsy nisy aza ny aina nafoy sy ny olona naratra dia hita ihany ny fahavoazana nihatra tamin’ny fiara.

Mitandrina aloha

Na dia eo aza ny tampoka tsy maha-lehilahy dia ilaina hatrany ny fikojana sy fijerena ny mombamomba ny fiara  mialoha ny iaingana. Tsy vesatra ho an’ny mpamily iharam-pahavoazana ihany manko ny loza eny an’arabe eny fa ho an’ny rehetra mifamoivoy eny an-dalàmbe eny koa.

Ezaka iray manamaivana ny fitohanana rahateo ny tsy fisian’ny lozam-pifamoivoizana mitranga. Ary mba tsy ho fanahy iniana tahaka ny mampidina lasantsy tapaky ny litatra koa ny fahafatesan’ny fiara eo am-povoan-dàlana.

Vous aimerez aussi