« Tsy ekena ny fanaovana lasibatra ny zana-bahoaka sy ny « chantage » amin’ny Fanjakana ! », hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, Blanche Nirina Richard, nitodika amin’ireo mpampianatra mpikaroka avy amin’ny Seces.
Misy hatrany ny sehatra ifampiresahana rehefa mandeha ny fanomezana vaha olana amin’ny ankamaroan’ny fitakiana, hoy ihany izy ary irina hivaha amin’ny zomà ho avy izao ny fitakiana iray sisa tavela.
Hitohy ny zomà izao
Hitohy ny zomà ho avy izao tokoa manko ny fitadiavana vaha olana manoloana ny fitakiana ataon’ny Seces. Hiarahana @ Praiminisita sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony ary ny Ministeran’ny Vola izany fihaonana izany.
Efa nisy ihany ny fihaonana ny zomà lasa teo saingy tsy mbola voavaha ny amin’ny tambin-karama sy sy ny tombontsoa izay takian’ireo mpampianatra efa an-taonany vitsivitsy.
Ho taom-pahombiazana
Hatsaraina ny fitantanana ny Oniversite, hoy ny Minisitra. Dia mba ho Oniversite tsara tantana, milamina ary indrindra manaja ny zon’ny mpianatra no ho hita amin’ity taom-pianarana 2019-2020 ity.
Araka ny fivorian’ireo Talen’ny Onivesitem-panjakana sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana siantifika moa dia ho tratra ny fidiran’ny mpianatra amin’ity volana marsa ity. Ny sampam-pitsaboana kosa dia hanomboka ny volana febroary.


