Nodimandry io maraina io ny Monseniera Rabenirina Rémi Joseph, Arsevekan’ny Fiangonana Anglikana.
Anisan’ireo efa Filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) izy, ary nandamina ny toe-draharaham-pirenena nandritra ny krizy lehibe tamin’ny taona 2002 ireny.
Arseveka voalohany
Ny Monseniera Rabenirina Rémi Joseph no Arseveka Anglikana Malagasy voalohany. Tamin’ny 21 mey 1967 izy no lasa diakona ary herintaona taorian’izay dia notendrena ho Presbytera. Ny 13 mey 1995 kosa izy no nohamasinina ho Eveka teo anivon’ny diosezin’Antananarivo.
Ny volana novambra 2017 izy no nankalaza ny faha-50 taona naha-klerze azy.
Mpanakanto
Tsy olon’ny finoana ihany ny Monseniera Rabenirina fa nanana talenta tamin’ny asasoratra koa. Nanoratra ny bokin-tononkalo « Felana maro loko » izy ka ny « Mery Nirina » no solonanarany nentiny teo amin’izany sehatry ny kanto izy.
Misy ihany koa ny fikambanana mitondra ny anarany.
Andrasana eny Anosiala ny nofo mangatsiakany anio ary eny amin’ny Katedraly Ambohimanoro kosa manomboka rahampitso.
Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia maneho fiaraha-miory amin’ny ankohonany sy ny fianakaviamben’ny Fiangonana Anglikana.


