ANTENIMIERAM-PIRENENA : Mampitarazoka ny ady amin’ny kolikoly

Mialoha ny 15 desambra ho avy izao no ho fantatra izay ho solontenan’ny solombavambahoaka hameno ny mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo (na ny Haute Cour de Justice).
Ity Fitsarana Avo ity manko no afaka mitsara ireo olona ambony voarohirory amin’ny resaka kolikoly avo lenta, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, sns…

Efa ela no nijoroan’ity Fitsarana ity saingy tsy afa-niasa izy noho ny tsy fahampian’ireo olona hisahana izany, dia ny solontenan’ny solombavambahoaka. Araka izany dia mitarazoka ny fitsarana ireo olona ambony, izay anisan’izany ireo minisitra telo (3) mpikambana teo amin’ny governemanta teo aloha.

Andrasana ireo solontena

Mialoha ny fotoam-pivoriana ara-potoana àry no ho fantatra amin’ny alalan’ny fifidianana miafina (fa tsy tsanga-tànana) ireo depiote 4, izay roa tompon-toerana ary roa mpisolo toerana. Hiroso, aorian’izany, ny fitsarana ireo olona ambony, izay efa nohadihadian’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (na ny Bianco).

Araka ny Làlampanorenana, andininy faha-167 dia tokony hapetraka ity Fitsarana ity, herintaona aorian’ny fifidianana Filoham-pirenena. Toa tsy dia laharam-pahamehana tamin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina anefa izany, ary dia izao miharihary izao ny zava-bitan’ireo minisitra sasany teo amin’ny fitondrany.

Mba ho mahaleotena tokoa

Ny fijoroan’ny Fitsarana tahaka izao dia efa ezaka hampitahotra ny olona ambony, raha tena mahaleontena izy. Fototra iray nanjakan’ny tsimatimanota manko ity firenena ity hatrizay, ka ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra ambony dia saika nanao ho tantely afa-drakotra ity firenena ity avokoa. Ary izany no tena nanimba ny rafi-piaraha-monina eto Madagasikara, izay ahitana ny mpanefoefo sy ny tena mitrongy vao homana.

Antenaina, araka izany, ny tena fahaleovantenan’ity Fitsarana ity mba hanjakan’ny fahamarinana tokoa ny firenena.

Vous aimerez aussi