ANKARAMALAZA : Trano 127 no may

Trano miisa 127 no may, 320 ireo tsy manan-kialofana, olona 1 no folaka. Izany no vokatry ny filalaovan’ny ankizy afo tao Ankaramalaza, Ambohitrandriamanitra Avaratra, ny zoma tolakandro tokony ho tamin’ny 4 ora.

Tsy tao an-tanàna ny ankamaroan’ny olon-dehibe, tamin’izany ora izany fa tany an-tsaha. Hany ka sondriana tamin’ny kilalaony ny ankizy, ka nahatonga izao firehetana izao.

Hain-trano izay mora nihanaka tokoa noho ny ankamaroan’ireo fonenana vita amin’ny hazo ary nanampy trotraka izany ny fipoahan’ny gaza tao amin’ny tokantrano iray.

Na izany aza, tsy voakasiky ny afo kosa ny Fiangonana sy ny trano fanaovana fivahinianana masina.

Efa tonga ny fanampiana

Vary, tafo, tranolay. Ireo no fanampiana nentin’ny fitondram-panjakana, izay notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny sabotsy maraina. Efa an-dàlana ihany koa ny kamion’ny BNGRC, izay mitondra fanampiana hafa.

Maro ny manam-pahefana eny an-toerana, izay miara-dia amin’ny Prefe ao an-toerana sy ny solombavambahoaka voafidy tany.

Toby lehibe

Noho ny antson’ny Tompo dia nanangana ity Toby ity i Neninalava na Volahavana Germaine. Anisan’ireo Toby lehibe eto amintsika ity ao Ankaramalaza ity, hany ka an-jatony ireo mpino kristiana  monina ao.

Ny volana aogositra moa ny fotoan-dehibe hankalazana ny isan-keritaonan’ity Toby lehibe ity, ka mpino maro dia maro no tonga manatrika fotoam-pivavahana sy fivahinianana masina any. Eny, hatramin’ny Filoham-pirenena nifandimby aza dia tonga manatrika sy manome fanampiana amin’izany fotoan-dehibe izany.

Vous aimerez aussi