Notanterahina io maraina io ny fizaham-pahasalaman’ireo voafonja eny Antanimora, araka ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena, nandritra ny fitsidihana nataony teny.
Araka izany dia tonga teny an-toerana ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana.
Fitiliana
Ny vehivavy sy ny ankizy no nanombahana ny fizaham-pahasalamana. Nisy ny fitiliana natao, ka anisan’izany ny fitiliana ny homamiadan’ireo vehivavy, ny fijerena ireo bevohoka, ny diabeta, ny VIH Sida, ny aretin-tsofina sy ny maso, ny nify,…
Narahin’ny fanomezana fanafody sahaza avy moa ireo karazan’aretina voatily ary nahazo ny vaksiny sahaza azy avy koa ireo ankizy, izay entin’ny reniny misazy eny.
Fanadiovana
Ankoatra ny fahasalamana dia anisan’ny nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fitondrana rano ihany koa ny ministera tompon’andraikitra. Nisy, noho izany, ny fanadiovana ny fonja, miaraka amin’ireo fitaovana natolotra.
Hitohy hatrany izao hetsika fanadiovana izao, hoy ny tompon’andraikitra. Ary toy izany koa ny eo amin’ny fizaham-pahasalamana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

