NAINA ANDRIATSITOHAINA : Nampian’ny Filoha tamin’ny resaka Barea

N’inona n’inona no mety ho voka-pifidianana hivoaka eo dia re sy fanta-poko fanta-pirenena ny fampielezan-kevitra nanampian’ny Filoham-pirenena ireo kandidàny, indrindra ny teto Antananarivo renivohitra, izay iaingan’ny raharaha politika rehetra.

Barea

Nalain’ny Filoha tamin’ny resaka kianjan’i Mahamasina ny fon’ny vahoaka. Tsy afa-hilalao eo manko ny Barea, izay nampiray ny Malagasy, raha tsy voavoatra io kianja io. Koa tsy hanamboatra izany kianja izany izy raha tsy olona afaka miara-miasa aminy no ho lany eo. Na an-kolaka aza ny nanaovana izany fampielezan-kevitra izany dia takatry ny maro mpankafy baolina kitra ny tian-kambara.

Tsy nisy afa-tsy ity ekipam-pirenena ity manko hatreto no hita nampiray sy nampivondrona ny vahoaka Malagasy. Domina any, noho izany, ny fon’ny rehetra ahazoana mifidy izay kandidà afaka hanavao ny kianjan’i Mahamasina. Dia naderadera tamin’ny fahitalavitra ny ho mety endrik’ity kianja ity, iray andro monja mialoha ny fifidianana.

Angaha tsy Filohan’ny rehetra ?

Mampametra- panontaniana, araka izany, ny fanambaran’ny Filoha, izay tsy mitady afa-tsy ny Ben’ny Tanàna afaka miara-miasa aminy vao hanao an’itsy na izaroa. F’angaha moa tsy Filohan’ny Malagasy rehetra ny tenany ka ny kaominina manana Ben’ny Tanàna IRK ihany no hampiany ?

Moa tsy manana andraikitra amin’ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra va ny fanjakana ?

Efa zava-dehibe aloha ny fahavononan’ny Filoha ny hanolotra kamio 15 henti-manala ireo fako mivangongo eto an-drenivohitra. Toy izany koa ny hanolorany vola 10 miliara ho an’Antananarivo.

Andrasana, araka izany, izay mety ho fandrosoan’ity renivohitra ity na iza na iza voafidy ho Ben’ny Tanàna eo.

Vous aimerez aussi