ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Natao indray ny fandaminana

Natao indray ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny Alakamisy maraina teo, ka nisy ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dàlana, izay nisongadina tamin’izany ny teny Behoririka sy Petite vitesse.

Narahina mpitandro filaminana moa izao hetsika natao izao ka nisy ihany koa ny fampianarana na fampizaran’izy ireo ny mpandeha an-tongotra mba hizotra eny amin’ny « trottoir », mba hisian’ny fifamoivoizana malalaka ary indrindra ho to ny teny filamatra hoe ny arabe ho an’ny fiara, ny sisin-dàlana ho an’ny mpandeha an-tongotra ary ny tsena ho an’ny mpivarotra.

Zatra ny gaboraraka

Tsy ny eo am-povoan-tanàna ihany no misy izao fandaminana izao fa iharan’izany avokoa ny boriboritany rehetra eto an-drenivohitra, hoy ny tompon’andraikitry ny kaominina. Misy rahateo ny fanamboaran-dàlana manerana ny faritra maro ka ilaina ny fandaminana.

Mampalahelo anefa fa raha misy ny fandaminana androany dia miverina amin’ny gaboraraka indray rahampitso. Koa avy amin’ny toe-tsaina mihitsy no tokony hisy fandaminana mba hisian’ny fifamoivoizana mirindra ho an’ny rehetra, eto an-drenivohitra eto. Ilaina, noho izany, ny fitaizana mba tsy ho sehatra politika isarihana mpifidy ihany ity renivohitra ity.

Vous aimerez aussi