Raha toa ka novidian’ireo mpanangom-bokatra 35 000 Ar ny iray gony amin’ny haricot vert dia 15 000 Ar monja no hividianan’izy ireo izany. Anisan’ireo vokatra iharan’ny fitotongam-bidy ihany koa ny poivron, izay tokony hamidy 30 000 Ar ny iray gony dia tafidina hatrany amin’ny 12 000 Ar ny vidiny ankehitriny. Vokany, maty antoka tanteraka ireo tantsaha mpamokatra legioma ao amin’ny kaominina Mangalaza sy Andingadingana, any Ambatondrazaka.
Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny
Ankoatra ny fanambakana ataon’ireo mpanangom-bokatra izay manararaotra ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana dia mbola mizaka ny fisondrotan’ny vidin’ireo kojakoja fampiasa ho amin’ny fanatsarana ny vokatra legioma ihany koa ireo tantsahan’Ambatondrazaka.
Singanina amin’ireny ny vidin’ny iray famarana amin’ny ranom-panafody izay nosandaina 300 Ar teo aloha dia novidiana 500 Ar kosa izany ankehitriny tato anatin’ny krizy ny covid- 19. Niaka-bidy toy izany ihany koa ny zezika. 1700 Ar ny iray kilao teo aloha lasa 2 000 Ar izany ankehitriny. Manao antso avo ho an’ny mpitondra fanjakana ireo tantsaha mpamokatra legioma any Alaotra mba hijery paikady ahafahana manampy azy ireo. Raha tsiahivina, anisan’ny niharam-pahavoazana lehibe noho ny ranobe ihany koa ny voly vary tany Alaotra. Voa roa tahaka ny dakam-boriky ireo tantsaha.


