ADY AMIN’NY FAHANTRANA : Nankalazaina ny faha-30 taonan’ny Akamasoa

« Velona mba hanompo, hanompo mba hitia, hitia mba hanome fiainana ». Izany no lohahevitra nentina nanompanana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Akamasoa, izay tarihin’ny Père Pedro, ka Sorona Masina nenti-nisaotra sy nanome voninahitra an’Andriamanitra no nanombohana izany fotoam-pankalazana izany, androany maraina, teny amin’ny toeram-pivavahan’i Manantenasoa eny Ambohimahitsy.

Nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny fetin’i Masindahy Vincent de Paul ity andro anio ity. Izy dia Pretra nanorina ny Lazarista, mpiahy ny mahantra, ka ireo Pretra Lazarista no niaraka tamin’ny Père Pedro nanatanteraka ny Sorona Masina.

Ny tantaran’ilay lehilahy mpanankarena nanao tsinontsinona an’i Lazarosy mahantra, izay nony nodimandry dia teo an-tratran’i Abrahama, ary ilay mpanankarena kosa tany amin’ny afobe, no toriteny fampianarana nentin’ny Père Pedro tamin’ireo mpivavaka tamin’ ity fotoana ity.

Miahy ny mpianatra

Marihina moa fa anisan’ny fiahian’i Père Pedro eny amin’ny Akamasoa ny fampianarana, ka mpianatra miisa 14.460 no manovo fianarana eny, ka ny 9.000 dia misakafo isan’andro eny an-toeram-pianarana avokoa, ka handaniana vary 11 Taonina isan-kerinandro.

Hita amin’ny toerana maro  izany toeram-pampianarana izany, toy ny eny Ambohidratrimo, Andralanitra, Manantenasoa ary Betsizaraina.
Mpampianatra sy mpanabe miisa 500 kosa no misahana ny fampianarana ireo tanora ireo.

Nankasitrahana

Nitohy ny tolakandro moa ny hetsika nanamarihana izao fotoam-pankalazana izao, izay natrehin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy tompon’andraiki-panjakana samihafa.

Koa nandritra izany no nanolorana mari-boninahitra Grand Croix de 2ème  Classe an’i Père Pedro.
Nandritra izany koa no nanoloran’ny Fitondrana fanafody 4 Taonina ho an’ity akany ity mba hitsinjovana ny sehatry ny fahasalamana. Marihina fa olona manodidina ny 30.000 isa no ahiana eny Ambohimahitsy eny.

Tsiahivina fa ny taona 1989 no nijoro teto amintsika ny akany Akamasoa, izay naorin’i Père Pedro. Niompana tamin’ny fanampiana marolafy ireo mahantra ny asa notanterahany.

Raha naka fampianarana taminy ireo mpitondra nifandimby teto raha teo amin’ny sehatra fiahiana ny mahantra dia mety efa foana ny mpirenireny eny an-dàlambe ka nanana asa sy toeram-ponenana avokoa.

Vous aimerez aussi