ADY AMIN’NY COVID-19 ANY BETROKA : Manampy vahoaka ireo olomboafidy sy ny Omc

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Randrianasolo Jean Nicolas, dia miara-misalahy midina eny ifotony any amin’ireo fokontany misy any amin’ny distrikan’i Betroka ankehitriny ireo olom-boatendry sy olomboafidy ao amin’ity toerana ity izay tarihin’io solombavambahoaka io miaraka amin’ny Omc any an-toerana manentana ny vahoaka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 sy manolotra fanampiana ho azy ireo ihany koa, ka mizara arovava sy savony hanasana tanana araka izay tratra ho azy ireo. Raha ny resaka tsy fandriampahalemana any amin’ity distrika ity indray no resahina, hoy ity depiote avy any Betroka ity, dia efa milamina hatrany amin’ny 80% ny any an-toerana ankehitriny noho ny ezaka manokana noraisin’ny mpitandro filaminana niara-niasa tamin’ny Omc ihany koa.

Vous aimerez aussi