ZOTRA NASIONALY : Mangataka fanampiana, nanangasanga hanao hetsika

Roa volana katroka tsy niasa, saingy tsy mba nisitraka fanampiana tahaka ny teto an-drenivohitra ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly etsy Andohatapenaka, izay mampitohy an’Antananarivo amin’Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fenoarivo Antsinanana. Mba niandry ihany ny mba hivaha ilay fihibohana kanjo ireny ny tenin’ny Filohampirenena hoe mitohy 15 andro, hoy ireo mpitatitra. Izahay anefa tsy misy hohanina, ary manana ankohonana velomina. Efa tena bokan’ny trosa tanteraka amin’izao fotoana izao. Raha hiteny izahay hoe vahao ny lalana hiasanay dia ohatran’ny mihantsy ady amin’ny fanjakana, hoy izy ireo. Efa ho banga hatrany amin’ny 1 tapitrisa ariary ny vola tsy miditra amin’ny mpitatitra. Mba efa nahazo ny anjarany hatramin’ny mpivaro-tena mety hatramin’ny sarim-bavy, ka mba omeo izahay, hoy hatrany ireo mpitatitra. Manangasanga ny hanao hetsika firaisan-kiana izy ireo, raha ny fanazavana azo. Izahay tsy migrevy fa mangataka, hoy ireo mpitatitra. Miisa hatrany amin’ny 80 izy ireo no tsy afaka miasa eny Andohatapenaka amin’izao fotoana izao, hoy ny fitarainan’izy ireo.

Vous aimerez aussi