Mbola ho sarotra sy ho mazana ny hamakivakian’ny Malagasy ny volana May. Tsy mbola voafehy ny fihanaky ny valanaretina coronavirus hatreto ho an’ny faritra Analamanga sy Toamasina. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina kosa fa efa mihalefy izany ho an’ny Matsiatra ambony. Vokany, mihena ny ora ahafahana miasa ary mihisatra ny sehatrasa fihariana ho an’ny isam-batan’olona. Fahantrana sy fahasahiranana mihalalim-paka hatrany no aterak’izany ho an’ny tsirairay.
Latsaka an-katerena, miandrandra vahaolana
Maro amin’ireo tokantrano Malagasy no efa miaina anaty fahasahiranana lalina vokatry ny fahaverezan’asa noho ny kirizin’ny covid- 19. Azo ambara ho latsaka an-katerena, araka izany, ny isan-tokonana. Tsy ny kabary politika loatra intsony no andrasan-dRamalagasy amin’ny fanjakana misy ankehitriny fa ny fiahiana azy ireo. Raha ny tsapan’ny Malagasy anefa dia toa lany andro mifamaly amin’ny alalan’ny fanaovana kabary politika tsy hitera-bokatsoa ny mpitondra sy ny mpanohitra fa tsy miasa saina loatra amin’ny fiaraha-miasa fitadiavana ny fomba hoentina manampy ny Ambanilanitra ahafahan’izy ireo miatrika ny onjam-piainana mahery vaika ateraky ny fisian’ny valanaretina toy ny covid- 19, ny pesta ary ny dengue.
Tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny sy ny fifanilihana andraikitra intsony izao hoy ny Malagasy, fa fotoana hamondronana ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena ho amin’ny fifanomezan-tanana am-po madio ahafahana miatrika sy mamaha ireo olana. Ny hirariana dia mba tsy ho rano araraka eo an-damosim-borona izany hiaka sy fanirian’ny Malagasy izany. Raha izao no mitohy, ahiana, hipoaka indray ny sarom-bilany. Tsy hiteraka tombontsoa iombonana anefa sanatria ny hiverenan’izany fa hanampy trotraka ny faharavana efa misy ankehitriny indray. Samia mamisavisa…, hoy ny mpanakanto andrarezina avy any avaratry ny Nosy izay !!!


