VOINAN’ANKARAMALAZA : Manao antso ny filohan’ny FLM

Noho ny voina nihatra tamin’ny hain-trano tao an-tanànan’Ankaramalaza, ny zoma lasa teo dia manao antso avo ny Filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), ny Pastora Rakotonirina David, ho amin’ny tolo-tanana hanampiana ireo havana traboina any an-toerana.

Entanina, araka izany, ny isan-tSynoda, ny ny isam-pileovana, ny fitandremana sy ny Fiangonana ary ny kristiana tsirairay avy sy ireo izay malala-tanana ka mifanohana amin’izany voina izany.
Eny amin’ny Foiben’ny FLM, eny Isoraka, araka izany, no hanaterana izay rehetra foinao, ahazoana manatitra azy any Ankaramalaza, araka izay haingana.

Marihina moa fa may tamin’izao voina izao ihany koa ny tranon’ny Filohan’ny FLM teo aloha, ny Pastora Rakoto Endor Modeste.

Vous aimerez aussi