BEN’NY TANANA SY MPANOLOTSAINA : Ireo tarehi-mari-pifidianana

Ny 16 desambra ho avy izao, fara-fahatarany no hivoaka ny valim-pifidianana vonjimaika ary ny 15 janoary 2020 kosa, fara-fahatarany, ny tena ofisialy. Izany no anisan’ny fanambarana nataon’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana (na ny CENI) io maraina.

Ny antoko

195 ireo antoko politika misy eto amintsika ary ny 61 amin’ireo no miatrika ity fifidianana ity.
Ahitana kandidà miisa 6 257 araka izany, izao fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina izao.
Na izany aza, tsy misy maharakotra ny Nosy ny kandidà avy amin’ireo antoko 61 ireo na dia heverina fa misy antoko matanjaka aza.

Ny kandidà

Ny antokon’ny Fitondrana ( IRK, IRD,…) dia manana ny 24%-n’ny kandidà. 16% kosa ny an’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), ny Malagasy Tonga Saina (MTS) dia 8%, ny AKFM sy ny APM dia samy 4% avy, ireo tsy miankina kosa no tena maro an’isa amin’ity fifidianana ity, satria mahatratra 44%.

Miaka-tsehatra ny vehivavy

Raha eo amin’ny miralenta kosa dia 337 no isan’ny vehivavy kandidà ho Ben’ny Tanàna, ary  94,7 % kosa ny kandidà lehilahy.
Eo amin’ny Mpanolotsaina dia miisa 3 050 na 9,4% ny kandidà vehivavy.

Ny salan-taona indray dia 3,3 % ny kandidà Ben’ny Tanàna latsaky ny 30 taona raha 7,1 % kosa ny Mpanolotsaina.

Eo amin’ny 40 taona eo

Ny 20 %-n’ireo kandidà Ben’ny Tanàna dia latsaky ny 40 taona avokoa raha 25% ho an’ny Mpanolotsaina. Manodidina ny 40 ka hatramin’ny 60 taona, araka izany ireo kandidà ho Ben’ny Tanàna ireo.

Ny mpifidy sy ny birao

10 299 583 kosa no isan’ny mpifidy ary 25 833 no isan’ny biraom-pifidianana. 50 776 kosa no isan’ny vata mangarahara ary 21 200 000 ny isan’ny biletà hampiasaina.
1 695 no isan’ny Ben’ny Tanàna ho fidiana manerana ny Nosy.

Kaomina 45 no ahitana kandidà tokana amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna ary kaominina , 148 no misy kandidà tokana ho amin’ny Mpanolotsaina.

Nisy ny kandidà maty

Miisa 5 ireo kandidà Ben’ny Tanàna namoy ny ainy. Anisan’izany ny tao amin’ny distrikan’i Toamasina II, Lalangina, Mampikony, Ampanihy ary Mahanoro.

Miisa 8 kosa ireo kaominina tsy hisy fifidianana Mpanolontsaina, ka anaovana fifidianana amin’ny ampahany.

Vous aimerez aussi