VINANY : Tovolahy maty nosintonin’ny rano

Tovolahy iray no namoy ny ainy noho ny fisintonan’ny rano azy, teo amin’ny karieran’i Vinany, etsy Faliarivo Ambavahaditokana.

Nisasa tongotra teo amin’ity rano ity i Toky, omaly tolakandron’ny zomà, tokony ho tamin’ny 1 ora,, satria handeha handevina, araka ny resaka nifanaovany farany tamin’ny lehilahy iray nanovo rano teo.

Asa na noho ny savony latsaka na noho ilay vato nalama fa latsaka tao anaty rano, izay voalazan’ny mponina fa lalina, ny tovolahy.

Niezaka namonjy azy ny fokonolona taorian’ny antso vonjy natao kanefa tsy hita ny razana. Nantsoina, araka izany, ny mpitandro filaminana sy ny vondrona mpamonjy voina. Nirotsaka an-tsehatra nanao ny fikarohana ity farany ary hita ihany ny razana rehefa nokarohina nandritra ny fotoana naharitraritra. Saingy vatana efa tsy nisy aina intsony no nentina niakatra avy any anaty rano.

Araka ny filazan’ny mpiara-monina aminy ao Faliarivo dia ny handevina ny raibeny no nahatonga an’i Toky hisasa teo, kanefa tampoka ny loza ka maty koa izy.

Araka ny fanambaran’ny manodidina ihany dia fady ny manasa lamba sy misasa eo amin’ity rano ity. Toa misy lolo kosa, hoy ny hafa ka efa an-taona maro no tsy nisy nanao izany intsony teo.

Ilaina hatrany ny fahamailona, indrindra amin’itony rano itony satria tsy fantatra mazava ny aminy, indrindra raha misy ny feo mandeha fa misy lolo sy misy fadifady ny rano.

Aleo mitandrina na tsy mino aza !

Vous aimerez aussi