VALIM-PITILIANA COVID-19 : Mbola nahitana tranga 8 indray tao Toamasina

Ny vaovao mahafaly aloha dia nisy olona vaovao 4 indray no sitrana ka anisan’izany ilay zazakely 9 volana ary tafiakatra 112 izany ny isan’ireo sitrana raha 126 kosa no mbola tsaboina sy arahamaso. Olona 8 vaovao indray no voamarina fa mitondra ny otrikaretina, ka avy ao Toamasina avokoa izy ireo ary 5 vehivavy, 3 ny lehilahy.

Ny iray amin’ireo dia ahitana soritraretina ka sokajiana hoe « forme grave » satria sempotra. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly manarapenitra any Toamasina izy ka azo lazaina fa efa mihatsara ny fahasalamany, na « état stable ». Olona 2 moa no efa sitrana rehefa notsaboina tao amin’io hôpitaly io.

Ny anisan’ny mahafaly ihany koa dia tao anatin’ny olona 71 voatily teto Antananarivo dia tsy nisy nahitana otrikaretina. Izany anefa dia tsy tokony hitarika ny olona hanao antsirambina fa vao maika aza tokony hamporisika ny rehetra hanaraka hatrany ny fepetra fitandremana rehetra raha te-hiala haingana amin’ny fihibohana !

Vous aimerez aussi