VAHOAKAN’AMBOHITRIMANJAKA : Mitsipaka ny vina Tanamasoandro hatao eny

Vahoaka maro monina sy miasa eny Ambohitrimanjaka sy Ambodimanga no nirohitra teny an’arabe, naneho ny fitsipahany ny fanotofana tanimbary kasaina hanorenana ny « Tanamasoandro » eny an-toerana.

Sora-baventy maro isankarazany, maneho ny hatezerany ny amin’izao vina izao no nolanjain’ireo vahoaka ireo, nihazo iny làlana amin’ny fivarotana tao-zavatra malagasy iny hatrety amin’ny sampanan-dàlana mihazo ny digy. Nisy aza ny fotoana nibahanan’izy ireo mihitsy ny arabe.

Vina efa tamin’ny propagandy

Anisan’ny vina efa noventesin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fampielezan-keviny izao tetikasa hanorenana ny « Tanamasoandro » izao, ka efa tonga teny an-toerana, andro vitsy lasa izay, ny minisitra tompon’andraikitra amin’ity vina ity, izay notronin’ny teratany sinoa vitsivitsy hanatanteraka ny asa.

Efa nandeha ny feo ny amin’ny hisandana ireo tany sy tanimbary ho totofana na koa ny hanomezana tany hafa ho an’ireo voakasik’izany, ka nasaina manomana ny taratasy momba ny taniny avy ireo voakasik’izany. Mitsipaka tanteraka izany anefa ireo mponina eny an-toerana satria tsy mba nisy rahateo, hoy izy ireo ny fifampidinihana.

Alefaso ny rano

Manoloana izany dia takian’ireo manan-tanimbary ny handefasana ny rano avy eny Tanjombato satria fotoam-panetsana izao ny eny an-toerana.

Koa ho lavin’ireo mponina amin’ny kaominina manodidina eny ny fikasana hanototra tany iny faritra iny satria maro izy ireo no mivelona amin’iny toerana iny ary misy ihany koa ny olon-kafa avy lavitra no miasa eny.

Nambaran’ireo ihany fa efa misy foto-drafitrasa toy ny sekoly efa mijoro eny ka tsy tokony horavana intsony ary raha làlana no hatao eny dia tsy lavin’izy ireo.

Tsy nisy rahateo, hoy ihany ny vahoaka ny fifampierana kanefa dia ny fananana sy ny fiveloman’izy ireo no kasaina totofana.

Depiote TIM

Asa na fifandrifin-javatra na ahoana fa hita teny an-toerana ihany koa ny Solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM, voafidy teny Ambohidratrimo, izay miombon-kevitra amin’ireo vahoaka, ka nanambara fa tokony hafindra toerana ny tetikasa sy tokony hisy ny dinika an-databatra boribory.

Vous aimerez aussi