VAHOAKA MALAGASY : Kamboty tanteraka… ?

Lanaky ny adim-piainana sy ny tebitebin-tsaina lalina ateraky ny fihanaky ny covid-19 ny ankamaroan’ny Malagasy. Manoloana izany, nanjavona ny fisian’ny tsena mora, ny vatsy tsinjo izay tsy re be tsy re kely intsony tato ho ato. Mahatsiaro tena ho kamboty velon-dray aman-dreny ny Malagasy. Vokany, mila hiraviravy tanana ny maro amin’izy ireo tsy misy mpiahy. Tsy mahagaga raha niakatra ny feo teo anivon’ireo sehatra tsy mainkina toy ny lafiny fitaterana, fizahantany, sns, mitaky ny hanampiana azy ireo. Maro amin’ireo orinasa no efa nanakatom-baravarana noho ny tsy fahafahana miasa tontolo andro izay niteraka fatiantoka ho azy ireo. Manoloana izany, mangiana ny fanjakana izay natao ho fialofana ho an’ireo « marefo » sy mizioga fahasahiranana vokatry ny fahantrana ateraky ny fahaverezan’ny asa fivelomana.

Fahanginana ombana tsy fangaraharahana

Tsy vitan’ny fahanginana fotsiny anefa fa ahatarafana tsy fangaraharaharana ihany koa ny fomba itantanana ireo fanampiana maro voarain’ny fanjakana. Toy ny bolongam-bola be, ny fitaovana, sakafo, sns. Tsy omen-tsiny tsy omem-pondro ny Malagasy raha hieriteritra fa misy « tsy mazavazava » ny fomba hitsinjarana ireo fanampiana. Manginy fotsiny ny tsy fangaraharan’ny fomba fiasa hifehezana ny valanaretina covid-19 eto an-tanindrazana.

Sao mila manova famindra sy fomba fiasa ny fanjakana mba tsy sanatria hipoaka indray ny sarom-bilany. Raha ny tsapa mantsy efa mangotraka tanteraka ny tontolom-piarahamonin’ny Malagasy ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Hatreto aloha, mbola samy miezaka miandry ampahatoniana ny ezaka azo tsapain-tanana hataon’ny fanjakana amin’ny fitondrana vahaolana ho azy ireo Ramalagasy. Maharim-pery tokoa angamba ny Malagasy !

Vous aimerez aussi