TSIAHY AN’I FAFAH SY DADAH : Tsy misy ny doria

« Tsy misy ny doria ». Izany no lohateny nampitondraina ny fahatsiarovana an’i Fafah sy Dadah, mpikambana ao amin’ny Tarika Mahaleo, ka nisian’ny fihaonana notontosain’ireo mpankafy. Vory lanona teo amin’ny Jardin Tino Rossi, ao Parisy ireo mpakafy maherin’ny 200 eo ho eo, ny sabotsy lasa teo. Fiaraha-mihira ny hiran’ny Tarika no nofandimbiasan’ireo tonga teny an-toerana.
Ny hiran’ny Tarika Mahaleo amin’ny ankapobeny no noredoniny, saingy niavaka kely kosa ny fahatsiarovana azy mirahalahy, izay vao nodimandry nifanarakaraka teo.

Nanan-daza

Nanana ny lazany teo amin’ny mozika manko izy ireo ary nitondra avo ny kanto malagasy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena miaraka amin’ireo hirany tsy lefy laza.
Koa anjaran’ireo mpakafy sisa no miventso izany fahatsiarovana izany. Fahatsiarovana izay mitambesatra amin’ny rehetra satria tonga avokoa na ny tanora na ireo zokinjokiny mpankafy ny Mahaleo.

Samy nitondra ny gitarany

Ny fikambanana Za Koa Hanorina no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izao fahatsiarovana izao. Niandoha tamin’ny 2 ora tolakandro ny fihaonana ka tsy nisaraka raha tsy ny takariva. Tsotra ny fandaminana : samy nitondra ny gitarany ireo izay manana, ary samy nitondra ny feony kosa ny hafa. Ankoatra izay dia samy nitondra ny sakafony sy ny zava-pisotrony ihany koa ny rehetra.
Marihina moa fa tsy ireo Malagasy mpila ravinahitra ao Parisy ihany no teny an-toerana fa tonga ihany koa ny avy any Marseille sy Toulouse.

Vous aimerez aussi