TAHAKA NY TARIBY SY NY BAKOLY : Nosoloina koa ny tale enina

Tale enina (6) eo anivon’ny orinasa Jirama no indray nosoloina omaly hariva. Koa misolo toerana ny talen’ny « exploitation des réseaux interconnectés » i Haja Raoeliharivony. Mandray ny asan’ny tale teknikan’ny rano eo Antananarivo kosa i Roland Rakotonandraina. Misahana vonjimaika ny famokarana rano kosa i Alfred Raolison. Andriamahefa Minosos Eric no hiandraikitra ny talen’ny Faritra Antananarivo. Razanamparany Jouvelin no hisahana ny famatsiana ara-pitaovana. Ary hiandraikitra ny serasera sy fifandraisana kosa Randrianarison Tiana Fenosoa.

Lavitry ny vina

Ankoatra ny fanilihana ireto tompon’andraikitra napetraky ny fitondrana teo aloha ireto dia tsapa indrindra kosa ny fahavoazana lehibe mianjady amin’ny vahoaka. Ankoatra ny fiantraikan’ny asa fihariana amin’ny fahatapahan-jiro lavareny dia atahorana koa ny ara-pahasalamana noho ny ranon’ny Jirama efa zary ranom-potaka indraindray. Ny vinan’ny Fitondrana anefa dia ny hampanankarena ny vahoaka entiny ary ny hananany fahasalamana tonga lafatra. Lavitry ny vina, araka izany, ny zava-misy hatreto na dia efa an-taonany maro aza ny olana.

Andrasana ny fiovana

Ho tahaka ny fanoloana tariby, bakoly, sy fitaovana samihafa eo amin’ny herinaratra ka hampilamina ny delestazy tokoa va re ny fanoloana ireto Tale ireto ? Efa nosoloina ihany koa manko ny Minisitry ny Angovo, herinandro vitsivitsy izay kanefa toa tsy nampivaha ny olan’ny jiro sy rano izany. Sa mety ho fanehoana amin’ny vahoaka fotsiny koa fa nisy fanovana natao raha ireo Tale ireo no tena olana ?

Hatry ny ela no efa marefo ity orinasa ity satria kikisan’ny aretina politika ihany koa noho ny fanaovana azy ho tantely afa-drakotra.
Efa nataon’ny kandidà rehetra ambetiteny ity Jirama ity nandritra ny fampielezan-kevitra. Miandry ny vokany ny vahoaka na ho tanteraka na ho kobaka am-bava fotsiny ihany izany.

Vous aimerez aussi