70 taona lasa izay no nandaozan’i Andrianary Ratianarivo ity fiainana ity. Tapa-bolana taorian’izay dia nanara-dia azy koa i Justin Rajoro.
Samy andrarezin’ny hira malagasy izy mirahalahy ireto. Ny voalohany, mpanangana ny Tropy Jeannette, ny faharoa ny Tropy Telonohorefy. Nanavanana azy mirahalahy ireto ny famoronan-kira, satria tsy nisaraka amin’ny hira bà gasy mihitsy ny teatra malagasy. Ary dia mbola kaloin’ny maro hatramin’izao ny sangan’asan’izy ireo, toy ny Havako anie izy izay, Bakobakoroa, Iarivo niandohana, raha ny rano nantsakaina,…, izay an’i Andrianary Ratinarivo. Ary ny an’i Justin Rajoro kosa : Baokilitsy, Hahery va re ‘lay ankaso, Harivan’ny volan-tantely, ‘Lay takarivakely,…. sy ny maro tsy voatanisa eto.

Mifandray alahelo
Ny 09 may 1949 no nodimandry teo amin’ny faha-54 taonany i Andrianary Ratianarivo. Noho izany, no voalaza fa nampihetsika mafy ny fon’i Justin Rajoro, ka nahatonga ny fahafatesany koa ny 23 may 1949, teo amin’ny faha-60 taonany.
Tapa-bolana, araka izany, no elanelam-potoana nandaozan’izy roalahy ny tany. Dia tahaka izany koa ny fandehanan’i Fafah sy Dadah, teo amin’ny Tarika Mahaleo.
Ny alahelo noho ny fiombonana lalina amin’ny kanto va re no mahatonga izany ?
Izay iray kanto, iray aina
N’inon’inona mety ho valin’izany dia azo lazaina fa mampifandray lalina tokoa ny fitiavana mozika eo amin’ny tena mpankafy azy. Azo ambara ho mampifaningotra aina mihitsy izany raha izao zava-misy izao no halalinina. ‘Zay iray asa iray aina, hoy ny Ntaolo. Azo heverina koa, araka izany, fa izay iray kanto, iray aina.
Na izany aza, Andriamanitra no tompon’ny aina ka afaka maka izay tiany amin’ny fotoana rehetra Izy !

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

