Misy tokoa ny tsy fanarahan-dalàna tsikaritra nandritra izay andro vitsivitsy nanaovana ny fampielezan-kevitra izay, hoy ny ao avy ao amin’ny Vaomiera Mahaleotena momba ny Fifidianana (na ny CENI). Misongadina amin’izany ny fandrovitana na ny fanindriana sy fandotoana ny peta-drindrina sy ny afisin’ny sasany izay apetaky ny hafa. Zary lasa fifaninanana aza izany eny amin’ny fokontany sasantsasany. Misy dia misy ihany koa anefa ny fikasihan-tànana sy fifamonoana eo amin’ny samy mpomba ny kandidà isanisany.
Mandamina ny Fanjakana
Manana andraikitra momba izany ny CENI, indrindra eo amin’ny fandaminana ny toerana anaovana fampielezan-kevitra raha toa ka mifanindry ny fanaovana izany. Eo ihany koa anefa ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny Faritra, izay afaka mandamina izany.
Entanina, araka izany, ny kandidà sy ny mpomba azy mba hilaza 48 ora mialoha ny toerana sy ny fotoana hanaovany fampielezan-kevitra, ahazoan’ny fanjakana manao ny fandaminana.
Na izany aza, tsy mbola nisy ny fitairanana an-tsoratra voarain’ny CENI, mikasika ireo trangan-javatra ireo fa ny fitarainana an-telefaonina sy am-bava no betsaka.
Mizara roa ny fitoriana
Misy karazany roa koa anefa ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fandefasana fitoriana, hoy ny CENI, dia ny tena mifandraika amin’ny raharaham-pifidianana, izay mety hiteraka ny famonoana ny vaton’ny kandidà na fanafoanana ny fifidianana mihitsy, izay alefa any amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana na ny Tribunal administratif. Ny faharoa kosa dia ny fandikan-dalàna mihitsy na ny hoe ady heloka, izay ahitana fandratrana, fanalam-baraka, fandrovitana peta-drindrina,…izay alefa any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany momba ny Ady Heloka. Raha lavitra kosa ireo Fitsarana ireo dia efa omen’ny lalàna fahefana ny CENI ka afaka mandray ny fitoriana, izay ampitainy any amin’ny tompon’andraikitra mahefa.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

