Fitsidihana apostolika sy ara-panjakana no nandalovan’ny Papa Fransoa teto amintsika ny volana Septambra lasa teo.
Nasain’ny Fivondronamben’ny Eveka, andaniny, sy ny Filoham-pirenena, ankilany, manko izy ka tonga nanao fitsidihana nanditra ny 4 andro teto Antananarivo.
Vahoaka maro, indrindra fa avy amin’ny finoana katolika no tonga nitsena sy nifanerasera tamin’ny Papa, satria efa 30 taona indray vao nisy Papa tonga teto amintsika, taorian’ny Papa Joany Paoly II.

Nitondra zavatra maro
Tsy teo amin’ny sehatry ny finoana ihany no nisian’ny akon’ny fandalovan’ny Papa teto satria Filohan’ny Fanjakan’i Vatican izy. Koa nisy, araka izany, ny akony ara-politika, ara-piaraha-monina, ara-diplaomasia, ara-panjakana ary indrindra ny fampahafantarana an’i Madagasikara, satria nahatratra hatramin’ny 800 any ho any ny mpanao gazety sy mpampahalala vaovao nanaraka ny diany teto, na mivantana izany na tany lavitra tany.
Ara-pinoana
Tsy ny finoana katolika ihany na ny finoana kristiana fotsiny ihany koa no nitafa tamin’ny Papa Fransoa fa nandray ny Filohan’ny Silamo koa ny tenany.
Noraisin’ ireo relijiozy teny amin’ny Karmelita, teny Ampasanimalo ny Papa. Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo Zezoita, teny Amparibe.

Nisy ny fitsidihana nataony manokana teny amin’ny Katedralin’Andohalo, izay nandraisany ireo Eveka. Tsy adinony koa anefa ny nihaona tamin’ny Filohan’ny FFKM satria fiombonana ny Finoana izany.

Nihaona tamin’ny vahoakan’Akamasoa koa ny Papa satria nanao ho zava-dehibe ny fampaherezana ny mahantra izy.
Fifaliana lehibe no nihaonany tamin’ny Père Pedro teny an-toerana satria mpianany ity Maopera misahana ny mahantra eny an-toerana ity.

Vahoaka maro koa no tonga niatrika ny lamesa notarihin’ny Papa teny Soamandrakizay ny alahady ary ny sabotsy hariva mialoha an’io no nanaovany fihaonana manokana tamin’ireo tanora manerana ny Nosy.
Ny fihavanana
Ny sabotsy 07 septambra no nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha ny Papa. Nanotrona izany ny Praiminisitra sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto, ny fiaraha-monimpirenena, ny Eveka, ny Mpitondra Fiangonana samihafa,…

Ny kolontsain’ny fihavanana no nivoitra nandritra izany fihaonana izany. Koa nisongadina ny firaisankina, ny fifanampiana, ny fianakaviana, ny fifankatiavana,…
Navoitrany fa ny politika dia fitaovana fototra enti-manandratra ny maha-olom-pirenena sy ireo vina momba ny olombelona.
Teo koa ny fanentanany ny amin’ny fikoloana ny zava-boahary.

Taorian’izany moa no namerina teo imason’ny Papa, ny velirano izay efa nambarany, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Nenti-namaranana ny fotoana moa ny fiaraha-namboly hazo baobab, teny amin’ny Lapan’Iavoloha ihany, mba ho mariky ny firahalahiana sy ny fanandratana ny zava-boahary.
Diplaomasia
Rehefa misy ny fitsidihana tahaka itony dia mihamafy ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.
Heverina ho mihatsara, araka izany ny fifandraisan’i Vatican sy Madagasikara. Anisan’izany, ohatra, ny fanamorana ny fandehanan’ny teratany Malagasy mankany Vatican.
Eo koa ny fahafantaran’izao tontolo izao ny fiara Karenjy, izay nofidin’ny Papa nivezivezena nandritra ny fivahinianana teto.

Tsiahivina fa nitodika tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Fransoa, nandritra ny lahateniny teny Iavoloha. Nanteriny ny tokony hanajan’ireo diplaomaty miasa sy monina eto amintsika ireo ny maha-iray ny Malagasy, izay manana ny soatoaviny manokana.
Fandriampahalemana
Nanana ny fandaminana lavorary ny Mpitandro filaminana nandritra iny fitsidihana nataon’ny Papa iny. Nirindra ihany koa ny fandraisana ireo mpino avy tany amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy.

Hita ho raharaham-pirenena tokoa ny fandraisana ny zava-misy tamin’ireny fotoana ireny, satria dia sady famangiana ara-apostolika no fitsidihana ara-panjakana.
Ny indrokely dia ny tsi-fahatomombanan’ ny sakafo teny Soamandrikizay, satria sady tototry ny vovoka no tsy nisy vata fampangatsiahana.




