MAORISY – NAJANONA NY SIDINA : Malagasy maro no tsy tafody

Voatery najanona ny sidina mampitohy an’i Madagasika amin’i Maorisy noho ny rivo-doza Calvinia mamely ity Nosy ity, amin’izao fotoana izao.

Efa nanomboka omaly tolakandro moa no efa tsy azo natao ny fisidinana ny habakabak’ity Nosy ity. Nisy ireo teratany Malagasy maromaro no nikasa hamonjy ny fetin’ny faran’ny taona eto an-tanindrazana, io omaly io, saingy tsy tontosa izany noho ny tsy fisian’izany sidina izany. Teo ihany koa anefa ireo Malagasy nikasa ny hihazo ny Nosy Maorisy noho ny fety karakarain’ny teratany Malagasy any an-toerana, kanefa tsy afaka ny ho tonga any.

Tsy azo nidirana ihany koa ny seranan-tsambo any an-toerana, nanomboka omaly. Tapaka avokoa ny ankamaroan’ny fitaterana, toy ny métro sy ny fiarandalamby ao an-toerana.

Efa tonga amin’ny faratampony ny filazana loza any an-toerana amin’izao fotoana izao ka tsy misy  mivoaka ny trano intsony ny olona rehetra, afa-tsy ny vitsy manangona sakafo sy izay mety ho ilaina amin’ny loza tahaka izao. Mihidy, araka izany, ny birao rehetra any amin’ity Nosy ity.

Vous aimerez aussi