TSI-FAHAZOANA MIVEZIVEZY AMIN’NY ALINA : Manararaotra tanteraka ny jiolahy

Banga miomehy alina. Izany no azo ilazana ny fanararaotana ataon’ny jiolahy amin’izao fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina izao.

Amin’iny alina mangina tanteraka iny no anaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny. Mangina tanteraka ny eny an-dàlambe ka anisan’ireo lasibatra ny asa ratsy ny fiarakodia.

Anisan’ny nitrangan’izany iny faritr’i Besarety sy ny manodidina iny alina, na ny marimarina kokoa eo Antsahakely.

Nararaotin’ireo jiolahy ny fahanginana ka nakan’ireo kojakoja momba ny fiara ary dia niporitsaka nandositra nandray ny làlankely hihazo an’Anjanahary iny izy ireo.

Na eny an-dàlambe aza dia sahin’ny jiolahy no mihantsy ny mpitandro filaminana, toy izay nitranga tetsy Ivandry ka namakiany ny barazy, tokony ho tamin’ny 9 ora alina.
Any amin’ny faritra hafa koa dia vitan’ny sasany ny mifampiraharaha ka mamoaka an-tsokosoko ireny hazo sarobidy ireny, amin’ny alina.

Miha-mahantra

Tsapa ho miha-mirongatra ny asan-jiolahy sy ny hala-botry nandritra izay fotoan’ny fihibohana sy ny tsi-fahazoana mivezivezy amin’ny alina izay.

Tsy azo odian-tsy hita ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka satria tsy mbola mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fihariana. Ny mpangalatra efa mpangalatra rahateo, kanefa koa mampitombo isa izany ireo sahisahy manao asa ratsy.

Manoloana izany indrindra koa anefa no tokony handraisan’ny mpitandro filaminana fepetra hentitra kokoa satria iny alina mangina iny no tena fanararaotan’ny jiolahy izay mitombo isa.

Vous aimerez aussi