TSENA ARODANA : Tokony ho sahaza ireo tsy manan-kialofana

Mitohy hatrany ny fandrodanana ireo tsena voalaza fa tsy manara-dalàna eto an-drenivohitra. Hihazakazahana fatratra izany satria mila tanàna tsara voatra ny renivohitra, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izao.

Eny rahateo moa ny hanaovana ny matso tsy hisy mpijery kanefa hatao ny fanadiovana, indrindra ny eny Behoririka, Tsaralalàna, …..sy izay manodidina ny araben’ny Fahaleovantena hanaovana ny lanonana.

Iza no tsy manara-dalàna ?

Ny volana Mey lasa teo no nisy ny volavolan-dalàna handrodanana ireny tsena ireny kanefa efa notsipahin’ny Mpanolontsaina maro an’isa eto Antananarivo Renivohitra izany. Izay nisy tamin’izany ny Mpanolontsaina avy amin’ny Fitondrana.

Naka fanapahan-kevitra manokana anefa ny Ben’ny Tanàna na dia eo aza ny rafitra tokony harahina, ka dia izao mitohy izao ny fandrodanana.

Na trano biriky tsara voatra na trano vy tsara rafitra na trano hazo tsizarizary dia niharan’izany avokoa.

Velona ny fifanolanana

Rafitra ny ady eo amin’ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolontsaina satria heverin’ity farany ho fanitsakitsahana ny zon’izy ireo ny manatanteraka ny didy efa notsipahiny.

Miara-mientana amin’ireo tompona tsena, araka izany, ireo Mpanolontsaina. Ireto mpivarotra ireto rahateo efa nanantena fanonerana ny tranon’izy ireo kanefa tsy nahazo izany fa voarirarira hatrany.

Mbola ato anatin’ny ady amin’ny « hamehana ara-tsosilay » izao ka heverina fa tsy fotoana fandrodanana fa ho fihariana kosa.

Sady rahateo, sahaza tsara ireo tsy manan-kialofana eny amin’ny manodidina ireny trano ireny, indrindra amin’izao andro mamirifiry izao.

Soa fa tsy azo arodana ny tonelina !

Vous aimerez aussi