TRIBONALY MISAHANA NY ADY AMIN’NY FANJAKANA : Voapetraka ny fitoriana, tsy mijanona ny tolona

Voapetraky ny kandidà Ny Rina Andriamasinoro sy ireo mpiara-dia aminy soa aman-tsara teny anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ny fitoriana sy ny porofo mirakitra ny tsi-fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna natao farany teo.

Nizotra tamim-pilaminana ny fanatanterahana izany na dia hentitra dia hentitra aza ny fitandroana ny filaminana, teny Anosy sy ny manodidina, tamin’io fotoana io.

Tsy nisy ny korontana fa nilamina tanteraka ny hetsika nanatanterahana izany na dia efa nanahy ny amin’ny mety hisian’ny baomba lakrimozena sy ny sakoroka azy ny maro.

Tsy maintsy takiana ny fahamarinana

Manoloana ny fitakiana sy fitadiavana ny marina mikasika iny fifidianana iny no nanambaran’ny kandidà Ny Riana fa tsy hijanona hatreo akory ny tolona fitakiana izany fahamarinana izany. Tsy maintsy katsahina ny fahamarinana ary tsy maintsy avoaka izany, hoy izy.

Nanteriny fa tsy hanakorontana akory ny antoko TIM sy ny mpiara-dia aminy fa mitady kosa ny fahamarinan’ny fifidianana.

Naharitra adiny roa

Marihina fa somary naharitra, satria sahabo ho adim-pamataranandro roa teo, ny faharetan’ireo solontena dimy tao amin’ny biraon’ny Tribonaly nanaterana ireo antotan-taratasy ireo. Tsy nisy anefa ny fanazavana na dinika natao tamin’ireo  vahoaka mpanotrona taorian’izay.

Tsy nisy afa-tsy ny fisaorana ny vahoaka sy ireo mpitandro filaminana no namaranana ny dia teny.

Marihina moa fa ny tapaky ny volana janoary ho avy izao no hamoahan’ny Fitsarana ny valim-pifidianana ofisialy.

Vous aimerez aussi