Vary, menaka, savony, ronono, lamba firakotra, lovia, sotro, vilany,… Izany no anisan’ny fanampiana natolotry ny Agence Musulmane d’Afrique (AMA) ireo traboinan’Ankaramalaza.
Fanampiana ny mpiara-belona
Tsy voafehin’ny finoana samy manana ny azy ny fifanampiana eo anivon’ny fiaraha-monina ka tonga nidodododo nitondra fampaherezana ity fikambanana musulmana ity.
Ankoatra ireo sakafo sy fitaovana samihafa dia nitondra fampaherezana sy fampitrakana ireo niharam-boina ihany koa ny fikambanana.
Nisy rahateo moa ny antso avo nataon’ny filohan’ny Fiangonana Loterana, manoloana ity fahavoazana ity.
Marihina moa fa trano miisa 127 no kilan’ny afo ny tolakandron’ny 27 novambra lasa iny, tao an-toerana ka nidodododoan’ny fitondram-panjakana nitondra fanampiana ihany koa.
Tsy ifampijerena antoko na finoana na fihaviana tokoa ny fifanampiana rehefa tojo fahavoazana ny mpiray tanindrazana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

